Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Paolo Rocco Gualtieri. Nanolotra firarian-tsoa ho an’ny vahoaka Malagasy i Mgr Paolo Rocco Gualtieri, Solotenan’ny Ray masina eto Madagasikara, amin’izao Noely izao.

{mp4}md-noel-2020-nonce{/mp4}

Taorian’ny fanombanany ny vokatry ny krizy, dia nanentana ny vahoaka Malagasy mba hirotsaka amin’ny fampanjariana ireo dingana ho amin’ny fampivoarana, ny fanovana, amin’ny fiheverena mandrakariva ny so iombonana. Nambarany fa "Tsy maintsy ampivelarina ny firaisan-kinam-piaraha-monina ary tokony ho tsapantsika fa samy tompon'andraikitra amin’ny tranobe iombonana ny rehetra".

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...