Manana adidy hitandro sy hikolokolo ny aina ireo mpino nomena andraikitra amin'ny fitantanan-draharaha amin'ny sehatra miankina sy tsy miankina, ary handala ny rariny sy ny hitsiny. Masina Andriamanitra izay inointsika ka deraina sy hajaina ary tsaohina sy deraina ; sitrak'izy Mpahary ny hamela tandindona sy famantarana ho antsika ka isan'ireny ny Sakramenta sy ny sakramentaly... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny fianarana no lova tsara indrindrina. Fitaizana niainga teo anivon'ny fianakaviana sy ny fanomzan-danja ny tontolo iainana no fomba nanabeazana ny taranaka Malagasy ; ny fahalalana an'Andriamanitra-Andriananahary na ilay nahary no zoki-pahalalana fototry ny fahendrena. Nanampy ny fandalana ny dina sy fady. Tany manan-kasintsara tokoa i Madagasikara. Manimba ny ho avin'i Madagasikara ny fitavam-bola diso tafahoatra, eo koa ny fanompoana andriamanin-kafa, ny havonavona sy ny fireharehana. .... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Tsy misy afaka hanompo tompo roa, fa ny iray homeny lanja ary ny iray ho ambaniany. Ny 15 aogositra 1571 no nifandaroka ny Silamo sy ny Kristianina, tamin'izany fotoana izany no nanentanan'ny Papa mba hanaovana ny toko sampile hitodiana amin'i Masina Maria vonjy mahatoky, tamin'izany indrindra no nipoahan'ny sambo iray tamin'ireo marobe noentin'ny Silamo nanafika, nanomboka teo dia maro ny Silamo no nanaraka ny finoana Katôlika. Misy fahotana miisa 3 teny tsy tian'Andriamanitra : ny fitiavam-bola, fanompoan-tsampy, ny fihavonavonana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Hery vaovao ho an'ny Malagasy ny ezaka kely izay vitan'ireo izay tsara  sitrapo, miezaka miaina ny didin'Andriamanitra sy manatanteraka izany, voafehin'ny didim-pitiavana. Zava-dehibe ny fanajana ny ray aman-dreny anefa tsy dia hita taratra izany ankehitriny na mba ampahany amin'ny karama voalohany, santa-bokatra ; ny filibana aza no hataon'ireo tanora. Tsapa fa tsy misy mpihevitra firy ny tamberin'andraikitra andrasana amin'ireo izay nomena andraikitra amin'ny sehatra samihafa ; tsy misy intsony ny fifanajana, indrindra ny fanajana ny aina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...