Alahady 25 oktobra 2026 - Alahady faha-30 mandavantona - A - Tia an'Andriamanitra sy ny namana no maha-kristianina. Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra. Nisy 613 isa ny lalana ho an'ny Jody sy ny Farisianina, anefa tsy nilaza sy nitanisa na izay mety ho filaharany ireo i Jesoa fa didy 2 no nolazainy ary mitovy ihany izy ireo : Fitiavana an'Andriamanitra sy ny Fitiavana ny namana. Andriamanitra no ivon'ny fiainana manontolo, ary fitiavana ; tsy nanova ireo didy nisy i Jesoa fa nanamafy ary nanambatra...
Alahady 18 oktobra 2026 - Alahady faha-29, mandavantaona "A". Ny Andriamanitsika : Mizana be tsy miangatra ; Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Fanontaniana mipetraka eto, anatin'ny vaky teny Masina, dia manontany hoe ahoana no tokony hiainan'ny amin'ny fiainana andavanandro sy manoloana ny Fanjakàna. Tsy manary ny vahoakany Andriamanitra ; Izy no tompon'ny fanapahan-kevitra sy mamaritra ny tantaran'ny olombelona, azy ny fahefana feno...
Alahady 27 septambra 2026. Alahady faha-26 mandavantaona — A — Ny toky fitaka, fa ny atao no hita. Aleloia. Aleloia. Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo. Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Aleloia. Mila asa manamarina azy ny teny tsara nolazana na ny teny fampanantenaina. Afaka miala amin'ny ratsy ny olona ary afaka maneho "ENY" amin'ny fihetsika sy ny fiovana anaty. ilaintsika ny lamesa satria mandritra io fotoana io no hihainoantsika an'Andriamanitra sy handraisana hery avy aminy...
Alahady 13 septambra 2026. Alahady faha-24 mandavantaona — A — Izay mamela no havela. Aleloia. Aleloia. Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.Aleloia. Tsy azo atao kajikajy ny famelan-keloka. Tsy fetra ho amin'ny famelan-keloka no fampianarana nomen'i Jesoa, amin'ny hoe "Im-pitopolo fito" fa antso ho amin'ny famelan-keloka mandrakariva. Ny mpanara-dia an'i Kristy dia tsy tokony hanisa hoe "impiry no namela heloka" fa tokony hatsiaro kosa hoe "impiry izy no navelan'Andriamanitra heloka"...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco