♦ Nolavin'ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly ny fangatahana fahafahana vonjimaika napetraky ny mpisolovava ireo voarohirohy tamin'ny raharaha Boeing 777... ♦ Fotoana hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-diplomatika sy hitadiavana famatsiam-bola ho an'i Madagasikara, ny fandraisana anjara amin'ilay fihaonana an-tampony fahatelo eo amin'i Russie sy Afrika, manomboka androany ary aharitra roa andro any Moscou... ♦ I Madagasikara no mandray ny andiany faha-20 amin'ny fiadiana izay ho tompon-dakan'ny Ranomasimbe Indiana ho an'ireo atleta manana fahasembanana (CCHOI 20e édition)...
• Raharaha Boeing 777, napetraka hodinihin'ny Fitsarana ny fangatahan'ny Fampanoavana momba ny hanokafana famotorana fanampiny momba ity raharaha ity. Nolavin'ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly koa ny fangatahana fahafahana vonjimaika napetraky ny mpisolovava ireo voarohirohy… • Mangataka ny hijeren'ny fitondram-panjakana sy ireo Solombavam-bahoaka ny olan'izy ireo, ny tantsaha mpamboly “orge” ao amin'ny Kaominina Ambano, Distrikan'Antsirabe Faharoa… • Nanomboka androany ny Herinandro ho an'ny Havatsa UPEM. Nisongadina tamin'ny fanomezana Mari-boninahitry ny Kanto sy ny Asa Soratra ho an'ireo mpikambana…
♦ Nomelohin'ny Fitsaràna higadra 10 taona an-tranomaizina noho ny fanaparam-pahefana ny solombavambahoaka Naivo Raholidina, araka ny didy nivoaka ny maraina teo... ♦ Mbola tsy hiala amin'ireo orinasa tsy miankina mivarotra herinaratra aminy aloha ny JIRAMA, hoy ny Tale Jeneraly. Nambarany fa mbola handaniana vola betsaka indrindra eo anivon'ny orinasa ny famokarana hatramin'izao... ♦ Tombanana hahazo vahana tanteraka ny volon'andro fahavaratra, saika manerana ny Nosy amin'ity herinandro ity. Miantso ny rehetra handray fepetra ny météo, manoloana ny mety hisian'ny rotsak'orana mifanesy...
♦Hotsaraina anio eny amin'ny PAC 67Ha ny raharaha Boeing 777. Fotoam-pitsarana ampahibemaso izay azon'ny besinimaro hatrehina, hoy ny fampitam-baovao avy amin'ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly ... ♦ Hivaha manomboka amin'ny taona ho avy ny olan'ny famatsiana rano ho an'Antananarivo. Tsy maintsy mbola hisy anefa aloha ny fitaomana rano amin'ny fiarabe ho an'ireo toerana sasany, mandrampiandry izany... ♦ Tsy ny tsindry amin'ny tambajotran-tserasera no handraisana fanapahan-kevitra hitantanana ny firenena, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, momba ny raharaham-pirenena...
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco