16 jolay — Ireo relijiozin’i Carmel nantsoina tany am-boalohany hoe mpanirerin’i Masina Maria tao tendrombohitr’i Carmel dia tsy manasaraka mihitsy ny asan’ny Tompo sy i Maria Virjiny reniny. Ao amin’i Maria no ahitan’ireo karma ireo, ny anambaviny noho ny fahavirijiniany sy ny reniny izay nanome aina ny fikambanan’izy ireo.

[audio src="/images/sounds/saint-20200716.mp3" background="#0099ffff"]

Izay no mahatonga azy ireo manaja an’i Masina Maria, maka tahaka azy ary manokan-tena tanteraka aminy. Ireo karma dia mankalaza manetriketrika toy ny Fiangonana latinina rehetra ny fety lehibe efatra fankalazana an’i Masina Maria : ny Noely, ny Fidiovana, ny Filazana ary ny Fampakarana azy tany an-danitra. Ny karma tamin’ny taonjato faha-14, izay noheverina fa naorin’ny mpaminany Elie moa ity fikamanana ity, dia nanokana ny 16 jolay ho fankalazana sy fahatsiarovana ny soa azo tamin’ny vavak’i Masina Maria. Ny taona 1885, nanaiky ny papa Sixte Quint ny vavaka manokana nasiana ny antsa “Ave Maria Stella”. Ny taona 1826 ny papa Benoit XIII no mampiely tamin’ny Fiangonana maneran-tany ny fety fankalazana an’i Notre-Dame du Mont-Carmel.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...