Andriamanitra no Mpamorona sy Loharanon'ny aina rehetra. Ny aina dia fanomezana avy amin'Andriamanitra fa tsy fananan'ny olombelona, isan'ny isehoan'ny fahasoavana sy ny hatsaran'Andriamanitra. Ny ain'olombelona dia masina, ary tsy azo sarahina amin'ny Andriamanitra izany hasiny izany... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - Fikasan'Andriamanitra ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...
.../… Higadona rahafakampitso indray ny datin’ny 14 oktobra amin’ity taona 2026 ity. Daty efa faheno foana ny 14 ôktôbra 1958. Mahatsiarotsiaro izany isan-taona ny mpanaraka tantara, indrindra ireo efa Zokizokiolona. Io ilay daty nambara fa nahaterahan'ny Repoblika voalohany teto Madagasikara, rehefa niaina fanjanahan-tany nandritra ny 64 taona ny firenena malagasy. Nanomboka teo ‘zany no nambara ny fijoroan'ny Repoblika malagasy, rehefa nandalo latsa-bato, saingy mbola nijanona ho « communauté française » ihany i Madagasikara, taorian'ny fitsapan-kevi-bahoaka nanitsiana ny Lalàmpanorenana frantsay ny 28 septambra 1958...
Tsy misy afaka hanompo tompo roa, fa ny iray homeny lanja ary ny iray ho ambaniany. Ny 15 aogositra 1571 no nifandaroka ny Silamo sy ny Kristianina, tamin'izany fotoana izany no nanentanan'ny Papa mba hanaovana ny toko sampile hitodiana amin'i Masina Maria vonjy mahatoky, tamin'izany indrindra no nipoahan'ny sambo iray tamin'ireo marobe noentin'ny Silamo nanafika, nanomboka teo dia maro ny Silamo no nanaraka ny finoana Katôlika. Misy fahotana miisa 3 teny tsy tian'Andriamanitra : ny fitiavam-bola, fanompoan-tsampy, ny fihavonavonana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco