Ny ray aman-dreny sy ny zokiolona dia manana andraikitra hifampizara traik'efa sy hampita izany amin'ny ankohonany avy. Ny hasin'ny ankohonana dia misongadina ho azy rehefa maneho fifampizaràna ny ray aman-dreny. Ny ankohonana dia lalam-piainan'ny zanak'olombelona, singa iray ao anatin'ny tsingerin'ny fiainan'ny olombelona, izay miantoka ny fitohizan'aina. Mbola manohy ny maha-izy azy ny olona iray na ao anatin'ny tokantrano aza fa manana sy mametraka tanjona iombonana kosa, izay manome aina vao ny tokantrano... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...