Ny fivoaran'ny tontolo ivelan'ny trano iainan'ny ankohonana manefy amin'ny ampahany amin'ny fitaizana. Misy ny lalàna mamaritra ny zon'ny ankizy sy fiarovana azy ireny ; misy ny lafiny tsara isan'izany ny fiasorohana ny herisetra na ara-tsaina na ara-batana. Fandrasoana amin'ny maha-olona ny fisian'ny lalàna miaro ny ankizy sy ny zony, anefa mbola mila ezaka ny fampahafantarana sy ny fampiharana izany, mila paik'ady ny fandresen-dahatra hampiharana izay voasoratra. Ny trangana tsy fandriam-pahalemana amin'izao fotoana izao dia misy fiatraikany amin'ny fanabeazana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...