Ny "appendicite" (aretina) dia tsy mety levonina fa tsaboina na didiana hiala teo amin'ny toerany rehefa re marary. Ny "appendice" dia taova madinika iray ao anatin'ny taovam-pandevonan-kanina, izy io dia mety hirefy 3cm hatramin'ny 60cm. Ny asan'io "appendice" io dia mitahiry ireo bakteria tsara sy ilain'ny tsinay. Ny toerana misy azy dia eo anelanelan'ny tsinaikely sy ny tsinaibe, manampy ny tsinay hanao ny asany indrindra amin'ny famoahana maloto... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...