Maro amin’ireo tantsaha ato amin’ny faritra Analamanga no resy lahatra amin’ny fampiasana zezika biolojika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin’ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin’izany.

Antony roa no nanosika azy mamokatra ny zezika kaompôsta. Vitsy ny omby eo ampelan-tanany ka tsy mahatosika ny fambolena ilofosany ny zezika azo avy amin’ireo. Manararaotra ny zava-misy eny ambanivohitra koa izy.

Zezika azo avy amin’ny tontolo voajanahary misy eny ambanivohitra mantsy ny kaompôsta ; fampifangaroana ny ravi-kazo, ny rako-maina, ny zezi-pahatra. Mamokatra kaompôsta 15 hatramin’ny 30 sarety miankina amin’ny filan’ny taniny Andriamatoa RANDRIAMIJORO Jacques Lucien. Misy tombony ny fampiasana ny kaompôsta ho azy.

Miankina amin’ny fikarohana sy fanatevenam-pahalalana no ahafahana mahazo kaompôsta tsara kalitaoa ka ahazoana vokatra tsara amin’ny fambolena. Mizara fahalalana hoan’ny tantsaha namany ihany koa Andriamatoa RANDRIAMIJORO Jacques Lucien.

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...