Velon-taraina ireo tantsaha, ny fikambanan'ny tantsaha samihafa, ny vovonam-pikambanana ary ny sendikan'ny mpamboly vary fa mamono antoka tanteraka azy ireo ny vidin'ny vary akotry. Manahy ny amin'ny ho avy izy ireo raha izao no mitohy. Tandindomin-doza ny ho avin'ny famokarana sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ary ny fahamarinan-toerana ara-toekarena. Mamono antoka ny mpamokatra ny vidin'ny vary akotry amin'izao fotoana izao. Fanamambarana nataon'ireo Vondron'ny fikambanan'ny tantsaha mpamokatra ahitàna ny FTM CPM, ny FEKRITAMA, ny FIFATA, ny KOLOHARENA, ny SOA, ny FVTM, ny MDB ary ny Tranoben'ny Tantsaha mpamokatra Nasiônaly...

Tsy maheleo ny saran'ny famokarana ny vidiny, isan'izany ny masomboly, ny zezika, ny sarak'antsaha, ny fanajariana ny tany, ny fitanterana sy ny sisa. Mamotika ny ezaka rehetra natao amin'ny famokaram-bary ny zava-misy ary loza mitatao amin'ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eto amin'ny firenena.

Manamafy ny fahantrana efa mitambesatra amin'ny mpamokatra ny tranga misy hoy izy ireo. Mampihena ny risipon'ny mpamokatra hamokatra amin'ny taom-pamokarana manaraka ny zava-miseho. Hiteraka fikorontanan'ny rafitra ara-toekarena eny ambanivohitra...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...