Mijoro ao amin’ny faritr’i DIANA ankehitriny ny vovonana iadian-kevitra hoan’ny lalam-pihariana tantely na ny Plate Forme Miel DIANA. Manomboka miroborobo ao amin’ity faritra ity ny seha-pihariana noho ny tohana ataon’ny mpiara-miombon’antoka, dia ny tetikasa FFF FAO, ny HELVETAS ary ny Réseau SOA. Na dia maro aza ezaka vita ao DIANA momba izay fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely izay, maro ny fanamby mbola atrehana amin’ny hoavy...

Isan’izany ny fametrahana ity vovonana iadian-kevitra momba ny tantely na ny plateforme miel ity, izay niainga tamin’ny fitakiana nandritra ny dinik’asa nasionaly hoan’ny tantely ny 29 May 2026 teto Antananarivo ny tokony hampijoroana azy. 

Tafajoro amin’izao fotoana izao ny vovonana, ka tanjona ny andrindràna ireo mpisehatra amin’ny fiompiana tantely, ny anatsarana ny fitantanana ny lalam-pihariana ary ny hisian’ny fampandrosoana maharitra ny lalam-pihariana mifanaraka amin’ny tondro misy eto amin’ny firenena hoy ny lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny fitsaboana ny biby ao amin’ny faritr’i DIANA.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...