Misy teboka miisa telo tokony hananana raha te hanana ho avy tsara isika dia : ny fitiavana, ny fahamarinana ary ny fifampitokisana. Mba ho azo antoka ny atao hoe fanavaozana dia misy dingana telo farafaharatsiny tsy maintsy atao ho zava-dehibe dia : ny fanadiovana, ny fanarenana ary ny fanavaozana. Manoloana ny famahana ny olana misy eto amin'ny firenena dia tokony hatao laharam-pahamehana ny famaliana ny filàn'ny Malagasy fa tsy izay tsindry avy any ivelany na tombontsoa manokana ; hantenaintsika mba ho olom-boatendry filamatra sy manana fahamarinana no hanana andraikitra eto amin'ny firenena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...