Ny fanajana ny kolontsaina fototra maha-Malagasy dia miteraka filaminana, azo tarafina amin'ny hasina sy ny lanjan'ny DINA eny amin'ny fiaraha-monina izany, izay mahery lavitra noho ny lalàna. Ny fitiavana dia azo ampifandrifiana amin'ny firaisan-tsaina, sy fifampatokisana sy fanajana ary fifanajana. Ny hitan'ny maso, ny tsapan'ny tanana ary ny ren'ny sofina dia samy mandrafitra ny rafin-tsaina maha olona. Ny hitan'ny maso ankehitriny no fomba tsotra anefa misy fahombiazana amin'ny fanentanana ny Malagasy ho amin'ny fiavaozana sy fanavaozana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...