Amin’izao fotoana iainantsika izao dia lasa sehatra lehibe ifandraisana sy ifampizaràna ny tambazotra sosialy, nefa indrisy, lasa toerana isehoan’ny herisetra, indrindra ho an’ny ankizivavy sy tovovay. Maro amin’ireo lasibatra no tsy mahalala ny zon’izy ireo na ny lalàna miaro azy amin’ny herisetra toy izany. Maro ny endrika sy fiantraikan'ny herisetra an-habaka, misy ny lalàna miaro amin'izany eto Madagasikara, ary ny fomba hiarovana ny tena sy ny hafa amin'ny fampiasana tambazotra sosialy am-pahamalinana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...