Mbola olana hoan’ny mpanao asa tanana vita amin’ny volibe na ny Bambou tsy ahafahan’izy ireo mivelatra eo amin’ny tsena iraisaisam-pirenena ny tsy fahampian’ny kalitao sy ny fenitra takiana amin’ny famokaran’izy ireo. Maro nefa ny firenena afaka mandray ny vokatra eto Madagasikara, toa an’i Seychelles sy La Reunion. Misy koa ireo manondrana any Eraopa...

Isany olana goavana sedrain’ny tantsaha eto Madagasikara ny tsy fahitana ny lalambarotra amin’ny vokatr’izy ireo. Sehatra nampifandraisana ny tantsaha mpamokatra sy ny orinasa mpanodina ny vokatra, ary nikatsahana lalambarotra vaovao hoan’ny mpamokatra ny tsenabe iraisampirenena momba ny Fambolena na FIA andiany faha valo, nampiarahina tamin’ny festivala iraisampirenena momba ny sakafo andiany faharoa...

Ho hitan’ny mpanjifa ato ho ato ny mari-pamantarana na ny label ahalalana ny vokatra avy amin’ny ronono vokarin’ireo mpamokatra ao amin’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB. Eo ampanomana izany amin’izao fotoana izao ny tompon’andraikitra. Lalana iray ahafahana manome antoka ny mpanjifa izy io hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana Safidy Rabemananjara fa manaraka ny kalitao sy ny fenitra ara-pahasalamana ny vokatra atolotra azy ireo. Te hametraka sy hisitona ny sain’ny mpamokatra sy ny mpanodina ary ny mpiatsehatra rehetra amin’ny lalam-pihariana ronono ny MDB fa vokatra fantatr’olona ny vokatra voamarina...

Hamerina ny lanjan’ny kafé teto Madagasikara toa ny nisy mialohan’ny taona 90 indray ny Fanjakàna Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fahaleovantena ara-tsakafo miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka eto an-toerana sy ny any ivelany. Tanjona ny hananan’ny kafé malagasy ny toerany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy hanatsara ny fari-piainan’ny tantsaha mpamokatra amin’ny alalan’ny fampitomboana ny vola miditra amin’izy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...