Misy ny olona voasokajy ho vahoaka fotsiny fa tsy olom-pirenena. Ahoana ary ny hanomanana sy hamolavolana ny Malagasy ho tena olom-pirenena mahalala sy mahafantatra ny adidiny sy ny andraikiny ? Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Efa maro ny lohahevitra noresahina mahakasika ny fanehoam-pitiavana. Ny vatana mifanakaiky dia isan'ny fanehoam-pitiavana hafa koa, izay mamoaka onjan'ny firaisan-tsaina sy onjan'ny fifampitokisana. Ity fomba fanehoana fitiavana ity dia azon'ny rehetra atao na eo amin'ny mpivady na eo amin'ny mpianaka.  Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Ny fanehoana fitiavana dia ilaina,  na eo amin'ny mpianakavy na eo amin'ny olona roa. Ndeha ho sokajiana toy ny fanadinana na enti-mody ny fanehoana fitiavana, inona no havoakan'ny fanombanan-tena nataontsika? Inona no tokony hatsaraina?  Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Hamafisina hatrany fa ny fanomezana dia endriky ny fanehoana fitiavana. Zava-dehibe loatra io manao fanomezana io, hoy ny Soratra Masina : "mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray". Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...