Maro ny voka-dratsy vokatry ny fihinanana paraky sy fifohana sigara, amin’ny tena sy ny manodidina, tsikaritra fa miha tanora ny mpanjifa azy ireo. Mahatratra eo amin’ny 4000 eo ny karazana poizina entin’ny setroka sigara: hhatra nicotine, goudron, monoxyde de carbone, cyanure d’hydrogène; etsy ankilany ny paraky dia manana taha mihoatra lavitra ny nicotine ao anatin’ny sigara telo fohana. Mila fiaraha-mientana ny ady amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Fototry ny fampandrosoana ifotony sy fanavaozana maharitra ny olom-pirenena mandray andraikitra. Mba handraisan'ny olom-pirenena anjara amin'ny fampandrosoana dia ilaina ny hafantarana ny adidy sy zo. Ny fifanankalozan-kevitra dia afahana mahatakatra bebe kokoa ny olana sy ny fanamby ankehitriny, ary hampiroborobo hetsika maha olom-pirenena azo tanterahina sy hita maso... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Iza aho? Tanora mitady ny maha-izy azy, miresaka safidy, soatoavina ary ny anjara toeran'ny finoana amin'ny fiainana. Fanontaniana fototry ny fananganana ny maha-olona. Miresaka ihany koa ny mety ho sakana tsy afahana mahafantatra ny maha-izy ny tena. Fotoana iray, hifampizarana andram-piainana mahafinaritra kely. Tsara ny hanana olona azo tahafina amin'ny fiainana, eny, hanao tantsoroka amin'ny fiainana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Nisy ny fampidirana karazam-baksiny vaovao tsy mbola nahazatra ny olona teto Madagasikara tato anatin'ny taona vitsivitsy izay : fiarovana ny Covid-19, ny M-Pox ary ny fiarovana amin'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza ; tsy mandà ireny ny EKAR satria zo sy safidin'ny olona tsirairay ny hanao na tsia ireny. Mandrisika ny tompon'andraikitra mba hampitombo ny fampahalalana ny mikasika ireny vaksiny ireny, mba hampisava ny ahiahin'ny vahoaka. Ny filàna fanazavana dia ny tompon'andraikitra ara-pitsaboana sy fahasalamana rehetra no mamaha azy, fa ny safidy dia an'ny tsirairay.... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco