♦ Ho fanamarihana ny faha-140 taona nitoriana ny finoana tao amin'ny EKAR Ankosy, Diôsezin'Ambositra, dia notsofin-drano omaly ny tsangambato lehibe : Lakroan'ny Fanavotana... ♦ Nosokafana tamin'ny sabotsy teo ny fankalazana ny faha-90 taona nahatongavan'ny fikambanan'ny Misionera Montfortains teto Madagasikara. Tany amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina no nanatanterahana izany... ♦ Hisokatra amin'ny fomba ôfisialy rahampitso ny "Centre Préventorium" izay tantanan'ireo Masera Ursulines any Analaroa, izay mandray sy mikarakara ireo zaza manana olana eo amin'ny taolana...

Olon'ny fihavanana sy mpanasoa ny mpiara-belona i Mgr Philippe Ranaivomanana. Tia sy nahay nifandray aman'olona izy. Laharam-pahamehana ho azy ny fampivelarana ny talentan'ny hafa. Toetra nanahafany an'i Jesoa Kristy ilay narahiny ireo, izay nahafoy ny ainy mba hanavotra ny olombelona. Fahatsiarovana an'i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan'Antsirabe, nodimandry ny 06 septambra 2022.

♦ Tanora dimy ambin'ny folo mirahalahy no nanonona ny voady voalohany ho an'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco, ny alakamisy 8 septambra 2022... ♦ Tontosa ny 8 septambra 2022 tolakandro ny Eokaristia Masina, fanaovam-beloma farany an'i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan'Antsirabe...

♦ Tanora manodidina ny 28590 no niatrika ny JMJ Mada X, izay nanomboka ny 30 aogositra hatramin'ny 4 septambra 2022. Nanafatra azy ireo ny Fivondronamben'ny Eveka, mba ho sahy hijoro hiaro ny tontolo iainana ary ho sahy haneho marina tokoa ny hatanorana... ♦ Entanin'ny Papa François isika, amin'izao volana septambra izao, hivavaka mba ho foana ao anatin'ny lalan'ny firenena rehetra maneran-tany ny fanamelohana hofaty...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...