• Mpiasa miisa 800 eo anivon'ny kaompania Air Madagascar sy Tsaradia no rahonana horoahina, raha tsy manaiky ho mpiasan'ny Madagascar Airlines... • Tsy mba nojerena ny fampakarana ny karaman'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina, nefa nasondrotra 14 % ny an'ny mpiasam-panjakana ary mbola nomena “prime”, hoy ny Randrana Sendikaly sy ny Sendika Miray Feo, androany... • Manome tantsoroka amin'ny fampananana asa ny tanora ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa. Fanamby ny hanome fanofanana arak'asa ny tanora, hifanaraka amin'ny filan'ny tsenan'ny asa, raha ny nambaran'ny Minisitra tompon'andraikitra...

• Voasambotra teny Ambohimangakely indray, ilay lehilahy tafatsoaka tao amin'ny fonjakelin'ny Kaomisaria eny Alasora nitazonana azy... • Mbola misy Sinoa tsy voakitika fa manohy ny fitrandrahana volamena, ao amin'ny Faritra Vatovavy, taorian'ny fisamborana ireo teratany Sinoa miisa dimy, hoy ny fikambanana Tafo Mihaavo... • Nihena ny isan'ireo fiara fitaterana naka fahazaon-dalana manokana hivoaka an'Antananarivo, ho an'ny fetin'ny Noely sy ny faran'ny herinandro teo...

• Napetraka any amin'ny toerana azo antoka mba ho fiarovana ny ainy, ny Jeneraly Ravalomanana Richard... • Tsy maintsy alefa any amin'ny Fampanoavana mahefa, ny antontan-taratasy rehetra momba ity Jeneraly akaiky ny fitondrana ity, rehefa vita ny fanadihadiana, hoy ny Minisiteran'ny Fitsarana... • Hampihatra ny lalana ho an'ireo minia manao fandikan-dalana ny Polisim-pirenena manomboka izao, fa tsy hijanona amin'ny fanentanana intsony...

• Tsy azo iverenana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, izay milaza fa manohy ny asany avokoa ny Andrim-panjakana rehetra. Fitadiavan-tseza fotsiny ny an'ireo antoko politika mitaky ny handravana ny Andrim-panjakana rehetra misy ankehitriny, hoy ireo Loholona sy Solombavam-bahoaka... • Tsy mbola fotoana handraisana fanapahan-kevitra ny hamerenana ny Nosy manodidina izao, fa miandry izay Filoha vaovao voafidim-bahoaka, afaka taona vitsivitsy, raha ny namabran'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko... • Tokony hahitsy amini'zao fotoanan'ny fanavaozana izao, ny lalana mifehy ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa eto amintsika, hoy ny PMH, Mpanjifa Miray Hina...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...