Aoka ny Eveka sy ny pretra hampianatra sy hanofana ny vahoaka mba hahalala sy handray anjara tsara amin'ny Litorjia. ohatra : Fanofanana ny vaomieran'ny Litorjia isa-paroasy. Mila katesizy Litorjika ho an'ny mpino, manaza ny dikan'ny Eokaristia sy ny vavaka isan-karazany, ny sakramenta ny taom-piangonana. Tokony ho fantatry ny mpino fa izy rehetra dia mandray anjara amin'ny asan'i Kristy... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.
Aoka ny fikambanana sy ny ivon-toerana momba ny fianarana litorjika hiorina sy hanampy amin'ny fanavaozana. Tokony hisy "centre de liturgie" isam-piangonana na amin'ny ambaratonga nasiônaly, hanomana sy hanofana ireo mpitarika. Ny fanabeazana litorjika dia andraikitra iraisan'ny Eglizy manontolo, tsy an'ny seminera na pretra irery... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.
Aoka ny Eveka hikarakara mba hisy fiofanana litorjika ho an'ny pretra efa miasa amin'ny asa pastoraly. Mila fampahatsiahivana sy fanavaozana tsy tapaka ny pretra amin'ny fankalazana. Tokony hisy fivoriana, fianarana, retraites spirituelles ho amin'ny fanavaozana ny fahaiza-mitarika amin'ny Litorjia. Ny pretra dia miaina ao anatin'ny fanavaozana mitohy... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.
Ny fianarana momba ny Litorjia dia tsy amin'ny soratra fotsiny fa amin'ny fanazaran-tena sy fanatanterahana mivantana. Tokony hanana traik'efa amin'ny fankalazana ny seminarista, amin'ny vavaky ny Eglizy, amin'ny Eokaristia, amin'ny Sakramenta. Ny fiofanana Litorjika dia tsy fanazavana teôlôjika fotsiny fa fampianarana miaina ny misterin'i Kristy amin'ny fomba Litorjika... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco