Tian'ny Konsily hambara fa Andriamanitra no fototra iombonantsika fa hoy izy hoe toa ny hazo ka mizarazara ny rantsany : Satria Andriamanitra RAY no fototra sy fiafaran'ny olombelona rehetra, noho izany dia antsoina ho mpirahalahy sy mpianadahy daholo ny olombelona rehetra. Rehefa tsy miray saina dia tonga ho azy ny fizarana sy fisarahana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
Voaantsoa ho amin'ny fifankatiavana isika olombelona. Ny hafatry ny Evanjely no manentana sady mamporisika antsika hifankatia? Izay no toetra hahafantaran'ny olona fa mpianatra sy mpanaradia an'i Kristy marina isika. Tsy ho afaka amin'ny antson'i Kristy io isika, satria io no lalan-tokana mitondra antsika makany amin'ny fifandraisana araka an'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
Ny Evanjely na ny Tenin'Andriamanitra izay nohenoina na zaraina tamin'ny alalan'ny toriteny dia tokony ho hita amin'ny fiainana andavanandro ny fampiharana azy. Tsy ampy fotsiny ary noho izany ny mihaino fa ilaina koa ny mampihatra azy eo amin'ny fiainana andavanandro. Ny asa eto an-tany dia toerana hanompoana an'Andriamanitra sy ny namana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
Ny mpino tsirairay dia mila mijoro mitondra ilay fihavanana mafy orina. Mampitombo harena ao anatin'ny fahasamihafana. Tsy manaiky ho resin'ny kolontsaina tsy mitovy. Olona vonona hifankatia, olona vonona hiray saina ; ny fiaraha-monina kely misy antsika dia tokony ho môdely azo halaintahaka ho an'ny hafa noho ny fahaizantsika mihavana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco