♦ Nohalavaina hatramin'ny 26 septambra ny fe-potoana farany ahafahan'ireo ho kandidà Ben'ny Tanànana, mametraka ny antontan-taratasiny any amin'ny OVEC... ♦ Hanohy ny dingana araka ny lalàna manoloana ny fandavan'ny CENI ny firotsahan'Andriamatoa Marc Ravalomanana, ny Firaisankina. Naka ny fanapahana avy amin'ny CENI teny Alarobia izy ireo androany... ♦ Nomarihana androany ny Andro Eran-tany ho an'ny Volobe, na Bambou. Miisa 35 karazana ny volobe misy eto Madagasikara...
♦ Nahemotry ny CENI ho amin'ny 26 septambra izao ny fe-potoana farany afahana manatitra ny taratasy firotsahan-kofidiana ho an'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina raha tokony hifarana rahampitso 9 septambra... ♦ Firaketan-draharaha eo anivon'ny Fitsaràna Ambaratonga Voalohany Antananarivo : 2.000 isa isan'andro ireo taratasy fangatahana fanamarinana fizakana zom-pirenena sy Casier Judiciaire voaray... ♦ Madagasikara no handray ny fihaonamben'ireo mampiasa volan'ny AFRICA 50, rahampitso alakamisy 19 septambra etsy amin'ny ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena Ivato... ♦ Nolavin'ilay orinasa Gold Apollo ny filazana azy ho nanamboatra ireo Bipeurs nampiasan'ny Hezbollha Libanais...
♦ Tsy manana olana amin'y hanomezana ny taratasy fanamarinana fandoavan-ketra ho an'ny filoha telo aloha Marc Ravalomanana rehefa mahaloa ny hetra tokony haloany amin'ny Fanjakàna ny tenany hoy ny Ministry ny Vola sy ny Fitantanam-bola... ♦ Ho fantatra anio hariva farafahatarany ny fahafahan'Andriamatoa Ravalomanana Marc, mirotsaka ho fidiana ben'ny Tanàna an'Antananarivo na tsia, fanapahan-kevitra pôlitika no mahatonga izao sakatsakana izao hoy ny solombavambahoaka Siteny Andrianasoloniaiko... ♦ Kolotsaina sy ny asa tanana isany misarika ny mpizahan-tany ho tonga eto Madagasikara, antony nanaovana ny hetsika fampirantiana Bon Baiser de Tanà etsy Ivato...
♦ Nanambara androany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, fa noho ny taratasy fanomezan-toky ny handoavany ireo hetra mbola tsy voaloany, nataon'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin'ny taona 2023, no nahafahany nirotsaka ho kandidà Filoham-pirenena farany teo... ♦ Fanapahan-kevitra pôlitika no mahatonga ny fanakanana an'Andriamatoa Marc Ravalomanana ho kandidà Ben'ny Tanàna ao Antananarivo Renivohitra, hoy ny depiote, Siteny Andrianasoloniaiko...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco