• Tsy maintsy hatao ny fikaonandoham-pirenena, ary efa miasa amin'ny fanomanana izany ny FFKM amin'izao, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... • Nihemotra ho amin'ny fotoana manaraka mbola tsy voafaritra, ny famoahan'ny Fitsarana Tampony ny didy momba ny fitoriana nataon'Andriamatoa Tojo Ravalomanana, tsy nanaiky ny voka-pifidianana Ben'ny Tanana ho an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... • Sehatr'asa enina no omena laharam-pahamehana ao anatin'ny LFI, lalana lasitra hifehy ny tetibolam-panjakana, ho an'ny taona 2026...
♦ Tanterahana nanomboka androany haharitra telo andro eny Mandriamena ny fikaonan-doham-pirenena kristiana, tonga namaly antso ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika sy ireo mpanolontsaina avo... ♦ Anio tolak'andro amin'ny roa ora no hiverina hiakatra eny amin'ny Fitsarana Antampony ny raharaha fitorian'Andriamatoa Tojo Ravalomanana ny ben'ny tanànan'Antananarivo Harilala Ramanantsoa... ♦ Nanao sakan-dalana nitaky ny hamerenana ny "Casseur de vitesse" eny amin'ny lalana Francophonie sy kianjan'i Makis ireo mponina teny amin'ny manodidina noho ny fisian'ny lozam-pifamoivoizana matetika eny an-toerana...
♦ Hampahafantarin'ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola eny Tsimbazaza anio ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2026... ♦ Anjaran'ny eny amin'ny antenimieran-doholona amin'ity alarobia ity no handray ny Praiministra Herintsalama Rajaonarivelo hamelabelatra sy hampahafanta ny pôlitika ankapoben'ny Fanjakàna (PGE)... ♦ Nahitana vato sarobidy milanja 30 kg nafenina tao amin'ny lapam-panjakàna Ambohitsirohitra, ny ampahatelon'io vato sarobidy io no fantatra fa Emeraude... ♦ Olona miisa no voasambotra tamin'ilay raharaha fikasana hamono ny lehiben'ny fampanohavana tao Bruxelle ny talata 18 novambra 2025...
• Fandaharan'asa mifototra amin'ny fanavaozana ifotony, ahitana taratra ny hetahetan'ny vahoaka no isan'ny voafaritra ao anatin'ny PGE, izay novelabelarin'ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo androany, teny amin'ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena... • Tsy napetraka amin'ny toerana voatokana, fa miaraka amin'ny daholobe ao amin'ny fonjan'Antanimora, Ramatoa Rinah Rakotomanga, noho izy hatahorana hanao herisetra, raha ny fanazavana nentin'ny Minisitry ny Fitsarana androany...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco