♦ Marihana androany ny andro eran-tany ho an'ny skotisma. Hanao hetsika eny amin'ny ANS Ampefiloha ny Antilin'i Madagasikara tafiditra amin'ny fankalazana ny faha 100 taona nijoroany... ♦ Nomarihana omaly koa ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-dreny. Nisy ny atrik'asa natokana ho an'ny mpanoratra, ny mpikabary ary ny mpikirakira ny teny Malagasy nanamarihana izany... ♦ Niakatra 28% ny tahan'ny fahaiza-mamaky teny tany amin'ireo EPP maherin'ny 10.000 nisitraka ny tetik'asa TAFITA, ary niakatra 25% izany ho an'ny fahaizana kajy... ♦ Niloa-bava momba ny toe-java-misy any Gaza ny tale jeneralin'ny OMS fa tsy misy fanajàna ny zon'olombelona intsony any amin'ity faritra palestiniana ity...

[audio src="/images/sounds/jma-20240222.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...