♦ Misy ny fanazavan'i tompon'andraikitra momba ny disadisa nisy nandritra ny hetsika nataon'ny UPAR tany Fianarantsoa.. ♦ Nanamafy ny fahavononany hirotsa-kofidiana ho solombavambahoaka ao amin'ny distrikan'i Manjakandriana Dr Fidy Bariniaina. Lalana iray hahatongavana amin'ny fampandrosoana ity distrika ity hoy izy ny fanomezana fahefana ny eny ifotony mba hamaritra ireo laharam-pahamehana... ♦ Nivoaka ny didim-pitsarana ka niampy 2 taona an-tranomaizina indray ny sazin'i Mbola Rajaonah, noho ny fikasany handositra ny fonja... ♦ Mety hitarika any amin'ny ady lehibe fahatelo ny fikasan'ny tandrefana hampiditra ny tafikany any Ukraine, hoy ny mpitondra tenin'ny masoivohon'i Rosia any Frantsa...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240228.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...