♦ Kendrena ny 40% amin'ny vahoaka Malagasy no hahazo karan-tany eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny filohan'ny repoblika tany Toamasina. Tsy azo ekena ny fangalarana ny tanin'ny vahoaka Malagasy hoy izy...♦ Hihena be ny fahata-pahan-jiro lavareny eto Antananarivo sy ny manodidina afaka volana vitsy, raha ny nambaran'ny tale kabonetran'ny ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo... ♦ Ho tanterahina ny 25 hatramin'ny 28 avrily ho avy izao ny tsenaben'ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy, na ny FEPA andiany faha-16... ♦ Nody mandry omaly i Kalid Batarfi lehiben'ny AQPA any Yemen... Niroso tamin'ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana i Portugal omaly...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240311.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...