♦ Nisesisesy ireo kandida tonga nametraka ny antotantaratasy filatsahany ho fidiana androany, manana hatramin'ny 5 ora hariva ireo tsy mbola nahavita izany... ♦ Anjaran'ny vahoaka no misafidy izay olona mendrika ho solombavambahoaka fa sivana fotsiny ny an'ny  vondrona pôlitika hoy ny antoko ny fireneko... ♦ Efa azo lazaina fa voafehy ny asan-dahalo any amin'ny distrikan'i Belo ankehitriny... ♦ Navaozin'ny Papa François indray tamin'ny famaranana ny vavaka Regina Caeli omaly ny antso ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena misy ady... ♦ Rendrika tany amin'ny fari-dranomasin'i Môzambika ny sambokely nitondra olona antsokosoko...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240408.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...