♦ Tamin'ny ora faraparany omaly vao nanao tsy ombialoha ny fandrotsahana ho fidiana ho Solombavambahoaka teny anivon'ireo OVEC nanerana ny nosy... ♦ Nirotsaka ho fidiana any Ambatofinandrahana ny filohan'ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Christine Razanamahasoa. Ministra 7 eo anivon'ny Governemanta ihany koa no kandidà ho solombavambahoaka... ♦ Niverina an-tsekoly indray ny mpianatra hiatrika ny roa volana fahaefatra, taorian'ny fialan-tsasatry ny Paka teo. Efa mamaramparana ny fandaharam-pianarana ny sekoly rehetra, mialohan'ny famerenana ankapobeny... ♦ Nitombo ny isan'ireo olona maty, vokatr'ilay faharendrena sambo mpanjono nitondra olona marobe tatsy Mozambika...

[audio src="/images/sounds/jma-20240409.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...