♦ Lehiben'ny Distrika sy Préféts maherin'ny 30 no nosoloina omaly, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra. Heverin'ny maro fa misy antony noho ny fiatrehana ny fifidianana amin'ny 29 mey 2024 izany... ♦ Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakana fampiharana ny lalàna vaovao mifehy ny harena ankibon'ny tany. Fanovana no nentina, hisian'ny aingavao entiny amin'ny toe-karem-pirenena... ♦ Tanora hatramin'ny 7 hetsy isa isan-taona no tokony hiditra amin'ny sehatry ny asa. Maro amin'izy ireo anefa no tsy manana ny fahaiza-manao takian'ny orinasa...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240412.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...