♦ Nafahan'ny Fitsaràna noho ny fisalasalàna ireo olona roa, notoriana noho ny raharaham-pifidianana tany Faratsiho. Nivoaka omaly ny fanapahan-kevitry ny Fitsaràna any Antsirabe momba izany... ♦ Nahazo ny fanohanan'ny CNUCED ny fikasàna hananganana ny Vondron'ny tany mpamokatra lavanila. Mitohy ny adisisika ataon'i Madagasikara hitsanganan'io Vondrona io, hiarovana ny vidin'ny lavanila... ♦ Hanamarika ny faha-40 taonany ny Faculté DEGS eo anivon'ny Oniversiten'i Fianarantsoa. Hisy ny hetsika hanamarihana izany manomboka ny 21 jona izao any an-toerana... ♦ Mandroso ny dingana hampidirana an'i Moldavie sy i Ukraine ao anatin'ny Vondrona erôpeana, nankatoavin'ireo firenena 27...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240615.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...