♦ Nametra-pialana tsy ho governoran'ny Faritra Androy intsony Andriamatoa Soja Lahimaro Tsimandilatse. Tsy misy resaka pôlitika akory ny fanapahan-keviny hoy izy fa antony ara-pianakaviana... ♦ Mifarimbona amin'ny fampandriana fahalemana ao amin'ny Faritr'i Menabe ny Kalaony. 1.300 ny isan'izy ireo mivondrona amin'izany rafitra izany ankehitriny... ♦ Manodidina ny 5,5 taonina isaky ny hektara ny voka-bary azo amin'ny fampiasàna ny teknika voizin'ny Papriz. Maherin'ny 100.000 ireo tantsaha mampihatra izany amin'ny faritra iasan'ny tetik'asa... ♦ Mahazo vahana indray ny herisetra atsy Somalie : 9 isa no maty,  20 naratra, vokatry ny fipoahan'ny fiarakodia voasesika baomba tao Mogadiscio...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240715.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...