♦ Mbola tsy ho ato ho ato ny hitsangànan'ny Governemanta vaovao. Mbola haka fotoana maharitra ny filoha sy ny praiministra handinika ireo izay hotendrena ministra, hoy ny gazety iray mpiseho isan'andro androany... ♦ Mpiadina maherin'ny 200.000 isa no hiatrika ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea manomboka ny alatsinainy izao. Misy ny toromarika vitsivitsy ho an'ny mpiadina avy amin'ireo mpanabe... ♦ Mitaky ministra manana mari-pahaizana hitantana ny ministeran'ny fampianarana teknika ny sendikàn'ny mpiasan'ity ministera ity. Tsy eken'izy ireo ho an'izay ministra ho avy eo ny fitondràna mpiasa avy aminy... ♦ Olona +11 no namoy ny ainy omaly hariva tany Chine, vokatry ny firodananà tetezana lehibe iray...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240720.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...