♦ Nampiantsoana hivory maika ireo Antenimiera mpanao lalàna amin'ny zoma sy amin'ny alatsinainy izao. Nisy ny filan-kevitry ny ministra manokana notarihan'ny filoha, nanapahana izany omaly... ♦ Nanao tatitra ny tale jeneralin'ny Bianco, omaly. Ireo ministera fototra misahana ny fiainam-bahoaka amin'ny ankapobeny no tena voakasiky ny fanaovana ny kolikoly eto Madagasikara hoy izy... ♦ Nihatsara ny tahan'ny fampinonoan-dreny teto Madagasikara, raha ny tatitry ny Unicef. Niakatra ho 54% izany, saingy mbola ambany ny any amin'ny tapany atsimon'ny nosy... ♦ Nampitondra faisana izay nolalovany tany Floride-Etats-Unis ilay rivo-doza Debby ; olona 4 no namoy ny ainy...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240806.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...