♦ Andriamatoa Randriamandrato Richard, Ministry ny raharaham-bahiny teo aloha no natolotry ny fitondrana Malagasy ho kandidà amin'ny fifidianana filohan'ny Vaomieran'ny vondrona Afrikana. Isan'ny hifanandrina aminy ny lehiben'ny mpanohitra any Kenya, Raïla Odinga...  ♦ Miantso ny Bianco hanao fanadihadiana momba ny fomba fiasa sy ny fepetra noraisin'ny JIRAMA farany teo Profesora Ralison Roger. Manararao-pahefana ny mpitantana ao amin'ity orinasa ity hoy izy... ♦ Tokantrano 657.000 isa no hisitraka fanampiana amin'ilay fandaharan'asa ara-tsôsialy TSIMBINA. Ireo distrika 119, manerana ny nosy no hahazo anjara amin'izany... ♦ Andriamatoa Muhammad Yunus no voatendry hitantana ny governemanta any Bangladesh...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240808.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...