♦ Tsy voahaja ny resaka fifandanjana isam-paritra anatin'io firafitry ny governemanta vaovao ny Praiministra Ntsa Christian io, hoy ny solombavambahoaka teo aloha Keron Idealson... ♦ Nanome toky ny hijery ny mahakasika ny fidangan'ny vidin'entana sy hanohy ny fametrahana ny taniketsa indostrialy ny ministry ny indostria sy ny varotra... ♦ Hijery manokana ny lafiny tsy fandriam-pahalemana sy hanampy ireo tantsaha ny solombavambahoaka voafidy teo Tsironomandidy, tontosa omaly ny lanonana fametrahana samboady azy ireo... ♦ Niala an-daharana tsy ho isan'ireo mpifaninana hiazakazaka hiady ny toerana ao amin'ny maison blanche ny kandidà tsy miankina Robert Kennedy, hanohana an'i Donald Trump ny tenany...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240824.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...