♦ Namoaka ny lisitr'ireo kandidà nahafeno ny fepetra notakiana amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina hotanterahana ny 11 desambra 2024, ireo OVEC manerana ny nosy androany... ♦ Voafonja miisa enina ao amin'ny fonjaben'i Mananjary no maty vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo, tao anatin'ny iray volana sy tapany. Misy koa ireo voafonja mbola manaraka fitsaboana... ♦ Natomboka androany ny fitsarana ny taratasim-panadinan'ireo mpifaninana hiditra ho mpianatra zandary andiany faha-79. Heverina ho vita ao anatin'ny folo andro ny fitsarana ireo taratasim-panadinana maherin'ny 30.000...

[audio src="/images/sounds/jsr-20240930.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...