♦ Mbola mafana ny tranga fakana an-keriny any amin'ny Distrika'i Tsaratanàna. Manao antso amin'ny fampitomboana isa ireo mpitandro ny filaminana, ny Solombavam-bahoka any an-toerana... ♦ Hihatra ny fepetra vonjy maika hisorohana ny fanakanana ireo mpanao gazety handrakotra vaovao eny amin'ny Antenimieram-pirenena, araka ny fihaonana mivantana teo amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena sy ny Filohan'ny OJM... ♦ Misy ireo ampahan-dàlana tapaka ao an-drenivohitra noho ny asa fanamboarana. Isan'izany ny eny Ankatso-Ambanidia sy eny amin'ny Vatobe 67Ha-Andohatapenaka...

[audio src="/images/sounds/jsr-20241016.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...