♦ Ho fantatra anio izay handrombaka ny fandresena amin'ny andiany fahatelo amin'ny fifaninanana fomokarana horonan-tsary fohy, natokana ho an'ny tanora, izay karakarain'ny fikambanana Salezianina Don Bosco. Horonan-tsary 3 amin'ireo 120 tafakatra amin'ny famaranana, any New York, no novokarin'ny tanora Malagasy... ♦ Porofon'ny tsy fananan'ny fitondrana pôlitika matotra, ny olan'ny rano sy jiro izay iainan'ny mponin'Antananarivo ankehitriny, hoy ny antoko Humaniste écologique... ♦ Miovaova ny fahazotoan'ny ray aman-dreny mampanao vakisiny ny zanany ao Antsirabe...

[audio src="/images/sounds/jma-20241018.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...