♦ Rain'ny Demokrasia i Profesora Zafy Albert ka tokony ho fakantahaka ho an'ny mpitondra nifandimby hoy ny Praiministra Ntsay Christian, raha ny nitokana ny tsangambato ho fahatsiarovana azy tany Betsiaka, distrikan'Ambilobe ny faran'ny herinandro teo... ♦ Mitohy ny asa fanadiovana sy fanesorana fako ary ny fisokirana ny tatatra amin'ny lakandrano C3 ao Antananarivo-renivohitra, atao asa tanamaro mandritra ny 20 andro ny asa... ♦ Mitsabo manokana ny arati-koditra sy ny koadavareny ny tobi-pitsaboana MERE MARIE SCHININA tanànan-dry Masera any Imerina Imady Ambositra... ♦ Manamafy ny antsony hampitsaharana ny ady amin'ny firenena samihafa ny Papa François manoloana ny fahapotehan'ny hopitaly sy ny sekoly...

[audio src="/images/sounds/jmi-20241028.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...