♦ Tsy faly tamin'ny fanitsiana sy ny fanasaziana azy noho ny tsy fanarahan-dalàna ny zandary iray mpiana-draharaha tany Beroroha ka nitifitra ny lehibeny. Maty vokatr'izany ny Kapiteny Franck Muller. Maty nitifi-tena ihany koa ilay zandary mpiana-draharaha... ♦ Manana paik'ady amin'ny fanamboarana toeram-pamonjana vaovao ny tompon'andraikitry ny Fonja eto Madagasikara hampihenana ny fivangongon'ny voafonja misy ankehitriny... ♦ Namoaka voka-pikarohana nataony nandritra ny 35 taona momba ny eny ambanivohitra ny mpampianatra mpikaroka, Hugues Rajaonson. Resahana anatin'izany ny pôlitika hahalasa ho mpandraharaha ny tantsaha mpamokatra...

[audio src="/images/sounds/jmi-20241031.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...