♦ Ministra miisa roa anatin'izao governemanta izao no nanao antso hampandaniana ny kandida-panjakàna ben'ny tanàna tao Mahajanga, miantso ny CENI handray andraikitra manoloana izany ny kandidàn'ny Firaisan-kina any an-toerana... ♦ Mivadika ho hetsika fanakorontanana ny fitakiana ataon'ny mpanjifa milaza ho leo "delestage" eto Antananarivo sy ny manodidina, tsy maintsy mandray andraikitra manoloana izany ny avy amin'ny mpitandro ny  filaminana hoy ny ministra miandraikitra ny zandarimariam-pirenena... ♦ Nankatoavin'ny antenimieram-pirenena ny findramam-bola mitentina 31,5 tapitrisa dôlara amerikanina hanaovana ny tetik'asa Fly Over Makis, vinavinaina ho vita amin'ny taona 2028 ny asa...

[audio src="/images/sounds/jmi-20241106.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...