• Nihaona tamin'i Papa François, omaly, ny filohan'ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sady Evekan'i Morondava, Mgr Raharilamboniaina Fabien...
  • Hanohy ny asany tsy ho ela ny orinasa Base Toliara. Nofoanan'ny Fanjakàna ny fampiatoana ny asa fitrandrahana nataon'ny orinasa tamin'ny taona 2019...
  • Ho betsaka ny rotsak'orana eto amin'ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra ary Amoron'i Mania rahampitso Zoma. Mety hiteraka fikorontanan'ny asa aman-draharaha andavan'andro izany amin'ireo toerana mora tondraka. Entanina ny rehetra hanaraka ny toromarika homen'ny manam-pahefana hoy ny Météo Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...