• Nihena ny herin'ilay rivodoza Chido tao anatin'ny adiny enina farany. Na izany aza mbola sokajiana ho rivodoza mahery vaika hatrany izy. Tany amin'ny 251 km avaratra atsinananan'Antsiranana Voalohany no nisy ny foibeny tamin'ny telo ora maraina teo...
  • Milaza ny tsy hanaiky lembenana intsony antoko TIM, tao aorian'ny fifidianana teo. Nanjakan'ny barofo ny fifidianana, hoy Andriamatoa Ravalomanana Marc...
  • Avo roa heny ny vola nampidirin'ny asa tanana ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakna tato anatin'ny efa-taona. Azo andikana ny lanjan'ny asa tanana malagasy izany, hoy ny Minisitera mpiahy...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...