• Noraisina tao anatin'ny katedraly Fo Masin'i Jesoa tao Farafangana androany tolak'andro ny Eveka vaovaon'ity Diôsezy ity, izay apetraka amin'ny toerany, araka ny fomban'ny Eglizy ny alahady izao...
  • Mangataka ny hamelàna malalaka ny vahoaka haneho hevitra eny amin'ny kianjan'ny faha-13 mey, Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, raha nandray fitenenana teny Bel Air androany...
  • Mandrahona ny hanao hetsika fitakiana lehibe ny mpiasa Malagasy mivondrona ao amin'ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa, manoloana ny tsy fisian'ny fisondrotan-karaman'ny mpiasam-panjakàna, efa 3 taona izao...
  • Nandefa taratasy telegrama maneho ny fiaraha-mihorina any amin'ny Arsevekan'i Nouvelle Orléans tamin'ny nafahatesana olona 15 tany an-toerana ny Papa François...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...