• Miantso ireo Raiamandreny am-panahy tsy hihanona amin'ny fanambaràna ny Randrana Sendikaly, fa hamory ireo mpisehatra pôlitika. Miahiahy krisy eto amin'ny firenena ity vondrona sendikà ity...
  • Misy andro ratsy ahiana hivadika rivo-doza any antsinanan'ny Ranomasimbe Indiana. Vinavinaina hanambana ny morontsirak'i Madagasikara izy io ny sabotsy izao...
  • Ahiana hihena be ny voka-bary any Ambatondrazaka izay sompitr'i Madagasikara amin'ity taom-pambolena ity...
  • Nitrangàna horohoron-tany mahery vaika tany atsimo andrefan'i Chine androany. Nahatratra 6,8 amin'ny mari-drefy Richter ny heriny. Olona 53 farafahakeliny no namoy ny ainy, vokatr'izany...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...