• Nitondra valin-kafatra ho an'ny mpanohitra ireo antoko manohana ny fitondrana amin'izao fotoana izao. Tsy ilaina intsony ny fanakorontanana ny fiainam-pirenena fa ny fampandrosoana izao no imasoana hoy izy ireo...
  • Tsy maintsy ampidinina ao anatin'ny 1 volana sy tapany ny vidim-bary eto Madagasikara hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Efa vita ny kajy fa tokony ho 750 Ariary ny kapoakan'ny vary afarana avy any ivelany...
  • Misedra olana ny famokarana herinaratra eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo. Misy ny fahatapahana indray mandeha maharitra adiny telo hoy ny Jirama. Ho voavaha ny olana amin'ity taona ity hoy ny ministra tompon'andraikitra amin'ny alalan'ny tetik'asa fametrahana foibe mamokatra herinaratra avy amin'ny herin'ny masoandro sy avy amin'ny menaka mavesatra...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...