• Olona miisa 3 no maty, vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza DIKELEDI tany amin'ny faritra avaratry ny nosy. Miisa 999 no voatery nafindra toerana, raha ny tatitra ôfisialy avy amin'ny BNGRC...
  • Tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin'ny halatra ny 11 desambra teo ireo kandidàn'ny vovonana Firaisan-kina. Nanao fanambaràna miaraka izy ireo ny sabotsy teo...
  • Tontosa omaly ny fetin'ny Seminera Zandriny eny Ambohipo, izay taninketsan'ny Pretra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mbola tsy voafehy ny afo any Los Angeles Etazonia. Manohy mandravarava trano fonenan'ny mponina ny firehetana goavam-be. Nisy indray omaly ny fanetsehana ny olona ao an-toerana hiala ny trano fonenany...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...