• Hiditra anio tolakandro eo anelanelan'i Brickaville sy i Fenoarivo Atsinanana, ilay rivodoza Faida... • Tsy tanteraka ny hetsika saika notanterahan'ny mpampianatra teny amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena omaly. Nikasa ny handray fitenenana teo anatrehan'ny Minisitra izy ireo, nandritra ny fananganan-tsaina... • Mihena isan-taona ny farihin'i Mandroseza, izay mamatsy ny 90%-n'ny rano ilain'ny mponin'Antananarivo sy ny manodidina. Mihatototra ny eny an-toerana noho ireo olana samihafa...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...