• Mampiantrano ny fihaonambe momba ny fandriampahaleman'ny Faritra andrefan'ny Ranomasimbe Indiana i Madagasikara...
  • Ho ravana avy hatrany ireo trano efa antitra na tamboho efa mitriatra ao Antananarivo-renivohitra, mba hisorohana ny loza mety hitranga amin'ny mety ho fianjeran'ireny foto-drafitr'asa ireny, raha ny nambaran'ny vondron'ny mpamponjy voina Antananarivo-renivohitra...
  • Ho tanterahina anio tolak'andro any Antanetibe-Amboatavo-Andramasina ny fandevenana an'i Rasazy Narindra, Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Mangataboahangy-Ambatofinandrahana, nisy namono ny herinandro lasa teo...
  • Tsy nahasakana ireo mpino sy ny tsara sitrapo, nanao ny vavaka Raozery teo amin'ny kianjan'i Masindahy Piera, omaly tolakandro ny orana sy ny fitokonana nataon'ny mpitatitra tao Rome...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...